01/04/2026
TSARA HO FANTATRA
⚖️ NDAO INDRAY ISIKA HIRESAKA MOMBA NY FANDRAVANA TRANO
Tsara marihina fa tsy azo ravaina tsotr'izao fotsiny ny trano iray.
👉 Miaro ny zon’ny fananana ny lalàna ary mametraka fomba ara-dalàna hentitra.
🏠 REHEFA TOY NY AHOANA NO AZO RAVANA NY TRANO ?
Ny trano dia azo ravana raha misy ireto antony ireto ihany :
✔️ Fanorenana tsy nahazo alalana (tsy misy permis de construire)
✔️ Fipetrahana tsy ara-dalàna amin’ny tany (tany fanjakana na an’olona hafa)
✔️ Tetikasa ho an’ny daholobe (expropriation)
✔️ Loza mitatao (mety hirodana ny trano)
📜 LALÀNA MIFEHY
📘 Lalàna momba ny fanorenana sy ny tanàn-dehibe
📘 Lalàna momba ny tany fanjakana (domaine public)
📘 Ordonnance n°62-023 tamin’ny 19 Septambra 1962 (expropriation)
📘 Fitsipika ao amin’ny Lalàmpanorenana miaro ny fananana
⚙️ DINGANA
1️⃣ Fanamarinana ny tsy fetezana
2️⃣ Fampitandremana mialoha (mise en demeure / préavis)
3️⃣ Fanapahan-kevitra ofisialy (arrêté na didim-pitsarana)
4️⃣ Fahafahana manao fitoriana na fanoherana
5️⃣ Fanatanterahana ny fandravana
👥 IZA NO TOKONY HO EO REHEFA MANDRAVA TRANO ?
Raha ara-dalàna ny fandravana dia misy matetika :
✔️ Solontenan’ny kaominina na sampan-draharahan’ny fanorenana
✔️ Manampahefana avy amin’ny fanjakana
✔️ Mpitandro filaminana (polisy na zandary)
✔️ Mpanatanteraka didy (huissier de justice)
👉 Izy no :
- manao fanamarinana
- manoratra procès-verbal
- miantoka ny porofo ara-dalàna
📄 TARATASY TOKONY HO EO
Alohan’ny sy mandritra ny fandravana dia tsy maintsy misy :
📌 Fanapahan-kevitra ofisialy
(arrêté na didim-pitsarana)
📌 Fampitandremana mialoha (préavis)
(manaporofo fa nampahafantarina ianao)
📌 Baiko fanatanterahana
(fahazoan-dalana hanao ny asa)
📌 Procès-verbal ataon’ny huissier
(atao mandritra na aorian’ny fandravana)