Isika Malagasy

  • Home
  • Isika Malagasy

Isika Malagasy MALAGASY ISIKA 🇲🇬✨

📸 FIBA AfroBasket  : MAD🇲🇬59 vs 48🇲🇦 MAR𝘼𝙉𝙆𝙊𝘼𝙔 no antsika 🦅𝘼𝙉𝙆𝙊𝘼𝙔 no ekipam-pirenentsika🇲🇬TOHANO ny antsika 🏀
08/08/2026

📸 FIBA AfroBasket : MAD🇲🇬59 vs 48🇲🇦 MAR

𝘼𝙉𝙆𝙊𝘼𝙔 no antsika 🦅
𝘼𝙉𝙆𝙊𝘼𝙔 no ekipam-pirenentsika🇲🇬
TOHANO ny antsika 🏀



Nosamborina ny Chef CISCO ao Tanà Renivohitra, Lalaina Ramananantony ilay amin’ny sary io isan’ny niampangana azy ny fan...
02/08/2026

Nosamborina ny Chef CISCO ao Tanà Renivohitra, Lalaina Ramananantony ilay amin’ny sary io isan’ny niampangana azy ny fangalàna an-keriny sy famonoana olona tato ho ato. Nalefa eny Tsiafahy izy @ izao.
Ity ramatoa ity koa dia tratra t@ fangalaran-jaza, eny Antanimora izao, mody manao adala moa izy io. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana.

SAMIA ISIKA MAILO HATRANY🙏🙏

Tokony ho mailo ny rehetra manoloana ireo antso sy hafatra aparitaka amin'ny tambajotra sosialy, indrindra raha avy amin...
23/07/2026

Tokony ho mailo ny rehetra manoloana ireo antso sy hafatra aparitaka amin'ny tambajotra sosialy, indrindra raha avy amin'ny kaonty tsy fantatra na mampiahiahy. Zava-dehibe ny manamarina ny loharanom-baovao alohan'ny hinoana na hizarana azy, satria mety hisy vaovao tsy marina na fampitam-baovao natao hampisavoritaka ny sain'ny besinimaro. Ny fitoniana sy ny fahamalinana no anisan'ny antoka hiarovana ny filaminam-bahoaka.

Antso avo ihany koa no atao amin'ireo tompon'andraikitra mba hanohy ny fanadihadiana sy hamantatra ireo olona na tambajotra mety manaparitaka vaovao diso na mampirisika hetsika mety hiteraka korontana. Etsy ankilany, ilaina ny fiaraha-miasan'ny olom-pirenena amin'ny fanajana ny lalàna sy ny fanamarinana ny vaovao, mba tsy hisian'ny fanararaotana ny toe-draharaha sy hiarovana ny fandriampahalemana eto amin'ny firenena.

Mila mpitondra tena vonona hametraka ny hasina sy hiaro ny fahaleovantenan'i Madagasikara isika. Hatramin'izay dia toa t...
20/07/2026

Mila mpitondra tena vonona hametraka ny hasina sy hiaro ny fahaleovantenan'i Madagasikara isika. Hatramin'izay dia toa tompony mangataka ao amin'ny taniny ihany ny Malagasy. Kanefa, i Madagasikara sy ny harena voajanahary ao aminy dia nomen'Andriamanitra ho lova sy hiveloman'ny vahoaka Malagasy. Madagasikara dia tany manankasina, arovan'Andriamanitra, ka mendrika hajaina sy harovana mandrakariva.🙏🙏

TAFIKA MIASA HO AN'NY VAHOAKA : Hanomboka ny fanamboaran-dalana ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Notaterina a...
20/07/2026

TAFIKA MIASA HO AN'NY VAHOAKA : Hanomboka ny fanamboaran-dalana ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.

Notaterina any ankianja ireo fitaovana fanamboaran-dalana fanomezana vaovao. Midika fiomanana amin'ny fanombohan'ny asa izany. Niala teto Antananarivo ireo fitaovana ny asabotsy faha 18 jolay mody mpamosavy, nandalo ny tananan'i Tsiroanomandidy tamin'ny ora mody omby tera-bao ka mbola niakandrefana hatrany.

Paikady voarindra tsara no azo hilazana izao fomba fampandrosoana ataon'ny tafika izao :
1) Fanamafisana ny fandriam-pahalemana (amin'ny alalan'ny fandefasana ireo miaramila any antsehatra) ;
2) Fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika (ny an'ny miaramilan'ny Jenia ny amin'ity indray mitoraka ity) ;
3) Ezaka fampitaovana hanatanterahana ny asa (hiarahana amin'ny fitondrana foibe).

Rehefa tratra ny fara faha keliny amin'ireo teboka telo ireo dia miroso avy hatrany amin'ny asa ny miaramila.

Mirary soa sy ny tsara hatrany 🙏
19/07/2026

Mirary soa sy ny tsara hatrany 🙏

𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 : Hahazo "Satellite" roa avy amin'ny orinasa Sinoa.  🛰️🇲🇬🇨🇳📍Vita teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny s...
18/07/2026

𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 : Hahazo "Satellite" roa avy amin'ny orinasa Sinoa. 🛰️🇲🇬🇨🇳

📍Vita teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny sonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin'i Madagasikara sy ireo orinasa sinoa JINYUAN HOLDING INTERNATIONAL CO. LTD ary Suzhou Fuchang Space Technology CO. LTD momba ny tambajotra zanabolam-pirenena.

🔴Tanjon'ity fiaraha-miasa ity ny hanampy an'i Madagasikara amin'ny fanaraha-maso ny toetrandro, famantarana mialoha ny loza voajanahary, fanatsarana ny sarintany ary fampiroboroboana ny fifandraisana.

🟢Araka ny fifanarahana, ireo orinasa ireo no hiandraikitra ny famolavolana, ny fanamboarana, ny fandefasana ary ny fitantanana ny zanabolana eny amin'ny habakabaka. Hisy ihany koa ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika, ka Malagasy miisa 40, ahitana injeniera sivily sy miaramila, no halefa hiofana amin'ny fitantanana zanabolana.

©️Ho an'ny tanindrazana

📌 Bakalorea 2026: Hamafisina ny FiarovanaVita sonia ny 16 Jolay 2026 ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny MESUPRES s...
17/07/2026

📌 Bakalorea 2026: Hamafisina ny FiarovanaVita sonia ny 16 Jolay 2026 ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny MESUPRES sy ny MID.

Tanjona: Hiantoka ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian'ny fanadinana manerana ny Nosy.

Hetsika: Fanetsahana ireo tompon'andraikitra isam-paritra (Prefe, Lehiben'ny Faritra, Distrika, OMC) ho an'ny fitoniana sy ny fiarovana ny mpiadina.

✅ Rehefa avy nitsidika an'i Afrika Atsimo, Congo, Gabon, Kenya, ary Nigeria ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Micha...
16/07/2026

✅ Rehefa avy nitsidika an'i Afrika Atsimo, Congo, Gabon, Kenya, ary Nigeria ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, dia hihazo an'i Tchad indray ankehitriny.

🔷 Tanjona ny hanamafisana ny fiarahana sy ny fampandrosoana aty Afrika.

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Isika Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your business to be the top-listed Law Practice?

Share