02/06/2023
ANATRY NY NTAOLO 🇲🇬
Fitandremana ny vava❌
Tsy mety raha manao tantanan-droa lela ny olombelona,sady miteny soa no miteny ratsy.Fa ratsy anie, lehiretsy,raha manao toy ny lelomby ka hilelaka ny trafo,izy ihany,hihaotra ny tongony,izy ihany hiditra any an'orona mahay,hitsofoka am-bava mahay.
Tandremo ny vava,lehiretsy,fa ny vava anie no efitra;ny vava anie tahaka ny vorodamba:mitriatra atsy,mitriatra aroa;ny vava anie Alakaosy,ka raha ts manoto olona,manoto tena.Fa ny vava soa anie sakafo,ary ny teny ratsy adidy.Ny vava anie tahaka ny salaka,ka ny tompony ihany no afatony.Fa ts misy melo-batana,fa izay melo-bava no melo-batana.Fa ny vava tsy ambina no ahitan-doza,ary izay manta vava no manambara ny afenina;ka izay ataon'ny vava no maningotra ny vozona.Tandremo,lehiretsy,ny vava,ka manaova soa,fa izany na tsara miafara.Fa raha manao soa tanora,misy hoenti-miantitra,misy hoenti-maty;ka izany no anaovan'ny olona hoe:< Manaova soa mba ts hohadinoina, na dia lo aza >.Fa ny soa atao no orim-bato,ary ny soa atao no vatsy zairina.☺
🇲🇬