Jus defender

Jus defender " vous faire connaître vos Droits est notre but"
(1)

21/05/2026
MBA fantatrao ve fa tsy lasan'ny olona izay nanorina trano teo amin'ny tany lova izay mbola tsy vozara ny tany izay misy...
20/05/2026

MBA fantatrao ve fa tsy lasan'ny olona izay nanorina trano teo amin'ny tany lova izay mbola tsy vozara ny tany izay misy azy araky ny lalàna malagasy ?
Mba fantatrao ve fa tsy lasan'ny olona izay nanorina trano teo amin'ny tany lova izay mbola tsy vozara ny tany izay misy azy araky ny lalàna malagasy ? 🤯

Betsaka amintsika no mihevitra fa rehefa manao trano na manampy rihana amin'ny tanin'ny ray aman-dreny na havana, dia lasa fananantsika avy hatrany ilay izy. Saingy, araka ny lalàna malagasy, tsy marina izany! ❌

Inona no tena mitranga araka ny lalàna?
Ny fitsipiky ny accession immobilière: Io dia midika fa izay rehetra miorina eo ambony tany dia lasan'ny tompon'ny tany. Ka raha ny de cujus (ilay nodimandry) no tompon'ny tany, dia lasa fananany avy hatrany izay trano na fanampiny natao teo, na dia ianao aza no nanao azy.
Tsy misy fananana mandeha ho azy: Raha tsy nisy taratasy ara-dalàna (toy ny acte notarié na fifanarahana mazava) natao tamin'ny fotoana mbola velona ny de cujus, dia tsy manana zo hitaky ny fananana ilay trano ianao. Lasa anisan'ny lova iombonana (indivision) ho an'ny mpandova rehetra ilay izy.

Inona no mety ho olana?
Fahaverezan'ny fananana: Mety ho very maina ny vola sy ny asa nataonao satria tsy manana taratasy manaporofo ny fanananao ianao.
Fizarana lova sarotra:Rehefa mizara lova, dia tsy afaka milaza ianao hoe
« ity rihana ity ahy, fa ny ambiny antsika rehetra ». Lova iray manontolo no zaraina.
Zo hitaky onitra (créance): Aminao, raha mpandova ianao, dia manana zo hitaky ny vola nentinao nanatsarana ny fananan’ny de cujus ianao. Izany hoe, azo averina aminao ny vola nentinao nanamboarana ilay trano, fa tsy ilay trano mihitsy no lasanao. Mila porofo matanjaka anefa ianao.

Inona no mitranga rehefa mizara ny lova?
Raha toa ka mifanaraka ny mpandova rehetra fa homena anao ilay trano na ilay ampahany namboarinao, dia misy zavatra iray tokony ho fantatrao: ny onitra na ny "soulte".

Raha mihoatra ny anjaranao ny sandan'ny trano: Raha toa ka sarobidy kokoa noho ny anjara lova tokony ho azonao ilay trano omena anao, dia tsy maintsy manome vola fanampiny (soulte) ho an'ireo mpandova hafa ianao. Izany dia mba hitovy tantana ny fizarana ho an'ny rehetra.
Fandanjana ny sanda: Ny sandan'ny tany sy ny trano dia tombanana amin'ny fotoana fizarana ny lova, fa tsy tamin'ny fotoana nanamboarana azy.

Ahoana no hialana amin’izany olana izany?
Fanaovana taratasy ara-dalàna: Ny tsara indrindra dia ny manao fifanarahana mazava sy ara-dalàna (toy ny fanomezana na fifanarahana momba ny zon’ny fanorenana) miaraka amin’ny de cujus fony fahavelony.
Fitehirizana porofo: Tehirizo tsara ny faktiora rehetra, ny fifanarahana tamin’ny mpiasa, ary indrindra ny porofo an-tsoratra fa nahazo alalana tamin’ny de cujus ianao. Raha tsy misy izany, dia mety ho sarotra ny hitaky ny zonao.

Fanamarihana manan-danja:
Na dia mpandova aza ianao, dia tsy midika izany fa lasanao ho azy ilay trano na fanampiny nataonao. Ny lalàna dia miaro ny fananan’ny de cujus ary mizara izany amin’ny mpandova rehetra. Ny vola nentinao nanatsarana ny lova ihany no azonao takiana, ary mila porofoinao izany.

Aza avela ho very maina ny asa sy ny vola nentinao! Miaro ny zonao dieny izao!
Mba fantatrao fa anisan'ny miteraka olana ne amin'ny resaka fandovana Io Zavatra Io ?






Jus defender

Tandremo diso ady  fa mahavery vola sy mahavery fotoana.Inona ary tokony atao raha tsy te ho diso ady ?✅ 1. Fantaro tsar...
18/05/2026

Tandremo diso ady fa mahavery vola sy mahavery fotoana.
Inona ary tokony atao raha tsy te ho diso ady ?
✅ 1. Fantaro tsara ny zava-nitranga sy ny tanjonao
Tsy ampy fotsiny ny hoe nisy nanao zavatra tsy rariny aminao. Mila mazava amin’ny antsipiriany izay nitranga sy izay tianao ho tratrarina.

✅ 2. Manangona porofo manaporofo ny teninao
Raha tsy misy porofo, dia malemy ny fitakiana. Ny porofo no fototra ijoroan’ny rariny.

✅ 3. Misafidiana fitsarana mety
Samy manana andraikitra manokana ny fitsarana tsirairay: fitsarana sivily, ara-barotra, na heloka.
✅ 4. Fantaro ny lalàna mifehy ilay raharaha
Inona no andininy ao amin’ny lalàna manohana ny fitakianao? Fantaro izany mialoha.

✅ 5. Jereo hoe mahavita mamerina izay tadiavinao ve ilay olona
Raha toa ka latsaka anaty fahantrana ilay olona, dia sarotra ny hahazo onitra na vola.
INONA NO TADIAVINAO AMIN’NY ADY?

Mazava tsara ve ny tanjonao? Ireto ny karazana fitakiana:

🎯 a) Fitakiana vola
Ohatra: Tsy naverina ilay vola nindramina.

🎯 b) Fitakiana fanonerana fahavoazana
Ohatra: Fiaranao simba noho ny fahadisoan’ny olona iray.

🎯 c) Fanoherana fanerena
Ohatra: Misy manery anao hiala amin’ny taninao tsy ara-dalàna.

🎯 d) Fitakiana fanajàna fifanarahana
Ohatra: Nisy fifanarahana natao, nefa nolavina tsy tanterahana.

👉 Raha tsy hazava tsara izay tadiavinao, dia tsy ho tanteraka amin’ny fitsarana ny rariny tadiavinao.
INONA NO POROFO ANANANAO?

🔍 Famaritana:
Ny porofo dia fototra ijoroan’ny fitakiana. Izy no manaporofo fa marina ny zavatra ilazanao sy takinao.

⚠️ Raha tsy ampy porofo ianao, mety ho very tanteraka amin’ny ady.

📂 Karazan-porofo mahazatra:

Taratasy fifanarahana (contrat)

Taratasy fandoavam-bola (reçu, faktiora)

Vavolombelona

Sary na horonan-tsary

SMS, mail, na resaka voarakitra

Tatitra avy amin’ny polisy na fokontany
AIZA NO TOKONY AMPIDIRANA ILAY RAHARAHA – FITSARANA INONA?

Tsy mitovy ny fitsarana amin’ny ady:

⚖️ 1. Tribunal de commerce (Fitsarana ara-barotra)
Raha misy orinasa, mpandraharaha, na raharaham-barotra tafiditra amin’ilay ady.
📌 Ohatra: Ady amin’ny fivarotana entana, fitakiana antoka amin’ny vokatra.

⚖️ 2. Tribunal civil (Fitsarana ankapobeny)
Ady amin’ny olona tsotra, tsy mpandraharaha.
📌 Ohatra: Fitakiana fizaram-pananana, ady amin’ny fanofa trano.

⚖️ 3. Tribunal correctionnel (Heloka )
Raha heloka no voakasika: halatra, vono olona, fanolanana.
📌 Ohatra: Nanao herisetra olona iray na nidirana an-keriny.
Fanamarihana : Tsara foana manatona ilay olona Mpahay Lalàna hafahana mamaritra n'y tokony atao.

















fans
Jus defender

⚖️-Inona no mahasamy hafa ny Onitra sy ny Lamandy araka ny Lalàna Malagasy?Salama daholo! Efa mba nanontany tena ve iana...
14/05/2026

⚖️-Inona no mahasamy hafa ny Onitra sy ny Lamandy araka ny Lalàna Malagasy?
Salama daholo! Efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona marina no mahasamy hafa ny Onitra sy ny Lamandy rehefa miresaka lalàna eto Madagasikara? Samy fandoavam-bola avokoa izy roa, saingy misy fahasamihafana lehibe tokony ho fantatrao! 🤔

1. Ny Lamandy (Amende) 💰
Ny Lamandy dia sazy ara-pifidiana (sanction pénale) avy amin'ny Fanjakana. Ampiharina amin'ny olona iray izay nanao heloka (fandikan-dalàna, heloka tsotra, na heloka bevava) izy io. Ny antony lehibe indrindra handoavana lamandy dia ny fanitsakitsahana ny lalàna velona eto amin'ny firenena, ary ny Kitampom-bolam-panjakana (Trésor Public) no mandray ny vola. Ny tanjona amin'izany dia ny hanasaziana ny mpandika lalàna sy hampitandrina ny fiarahamonina. Ohatra, ny lamandy noho ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fifamoivoizana, na lamandy miaraka amin'ny fanagadrana noho ny halatra.

2. Ny Onitra (Dommages-intérêts) 💔
Ny Onitra kosa dia fanonerana ny fahavoazana (réparation du préjudice) nahazo ny olona na fikambanana iray. Tsy sazy fa fanarenana! Ny antony handoavana onitra dia ny hanonerana ny fatiantoka, ny fijaliana, na ny fahavoazana (ara-batana, ara-tsaina, na ara-bola) nateraky ny olona iray tamin'ny namany. Ny olona nitondra faisana na ilay niharam-boina (partie civile) no mandray ny vola, ary ny tanjona dia ny hamerina azy amin'ny toerana nisy azy talohan'ny loza. Ohatra, ny onitra noho ny famakiana fifanarahana, na onitra aloan'ny mpamily tamin'ny olona nodoniny mba hitsaboana azy.

Ny fahasamihafana lehibe indrindra:
Lanjany: Ny Lamandy dia sazy (Pénale), fa ny Onitra kosa dia fanonerana (Civile).
Iza no mandoa?: Ny Lamandy dia aloan'ny mpandika lalàna, fa ny Onitra kosa dia aloan'ilay tompon'andraikitra tamin'ny fahavoazana.
Iza no mandray?: Ny Fanjakana no mandray ny Lamandy, fa ilay niharam-boina kosa no mandray ny Onitra.
Tanjona: Ny Lamandy dia manasazy sy mampianatra, fa ny Onitra kosa dia manonitra ny ratsy natao.
Lalàna fototra: Ny Lamandy dia fehezin'ny Fehezandalàna famaizana (Code Pénal), fa ny Onitra kosa dia fehezin'ny LTGO (Loi sur les Théories Générales des Obligations).
Tadidio: Amin'ny raharaha ady heloka iray, dia mety hiray latabatra ireo roa ireo! Ohatra, ny mpangalatra dia sady voasazy handoa lamandy ho an'ny fanjakana, no voatery handoa onitra ho an'ilay olona nangalarany zavatra.
😭-Fanontaniana ho anao: Efa mba nitondra faisana tamin'ny raharaha iray ve ianao ka nahazo onitra, sa efa voasazy lamandy?
LALÀNA








́paration



















Jus defender

🌟 Mba fantatrao ve hoe inona no vokatry ny divorce na fisaraham-panambadiana araky ny Lalàna Malagasy? 🌟Salama tompoko! ...
12/05/2026

🌟 Mba fantatrao ve hoe inona no vokatry ny divorce na fisaraham-panambadiana araky ny Lalàna Malagasy? 🌟
Salama tompoko! 📢 Efa nanontany tena ve ianao momba ny zava-misy sy ny vokatr’ny fisaraham-panambadiana eto Madagasikara? 📜 Andeha hojerentsika miaraka ny antsipiriany, araka ny lalàna, mba hahafantarana ny zo sy adidy rehetra! 👇
Vokatry ny Fisarahana (Divorce) araka ny Lalàna Malagasy
Ny divorce eto Madagasikara dia fehezin’ny Lalàna laharana faha-2007-022 tamin’ny 20 Aogositra 2007 momba ny fanambadiana sy ny rafitra ara-pananan’ny mpivady, ary koa ny Code Civil Malagasy. Tsy misy divorce par consentement mutuel (fisarahana amin’ny fifanarahana fotsiny) fa divorce pour faute ihany no ekena, izany hoe tsy maintsy misy antony lehibe (toy ny fanitsakitsaham-bady, herisetra, fanalavirana tokantrano, tsy fanatanterahana adidy amin’ny maha-vady). Ny Fitsarana ambaratonga voalohany no manapaka izany, ary ny didy dia soratana ao amin’ny Etat civil mba hahazoan’izy io vokatra amin’ny olon-telo.
a) Vokatry ny Divorce amin’ny Fifamatorana Ara-panambadiana
🔹 Tapitra tanteraka ny fifamatorana ara-dalàna misy eo amin’ny mpivady rehefa tonga any amin’ny didy farany ny fitsarana.
🔹 Soratana eny amin’ny acte de mariage izany mba ho hitan’ny rehetra.
🔹 Avy eo dia afaka manambady indray ny tsirairay.
🔹 Saingy misy délai de viduité (fijanonana) 180 andro alohan’ny hanambadian’ny tsirairay indray (araka ny And. 6, Lalàna 2007-022). Ity fepetra ity dia mihatra amin’ny lahy sy vavy, ary natao hiarovana ny fahazoana antoka momba ny ray aman-drenin’ny zaza.
🔹 Raha misy manambady indray tsy mbola tapitra io fe-potoana io, dia mety ho foana ilay fanambadiana vaovao.
🔹 Azo foanana na ahena anefa ilay fe-potoana raha misy taratasy ara-pitsaboana manaporofo fa tsy bevohoka ilay vehivavy.
b) Vokatry ny Divorce amin’ny Fananana (Régime Matrimonial)
💰 Rehefa misaraka ny mpivady dia atao ny fizarana fananana.
💰 Raha tsy nisy fifanarahana manokana natao teo am-panambadiana, dia mihatra ny zara mira (fizarana mitovy 50/50 amin’ny fananana niarahan’ny mpivady nandritra ny fanambadiana).
💰 Ny fananana efa an’ny tsirairay taloha, na azony tamin’ny lova na fanomezana, dia tsy tafiditra.
💰 Raha séparation de biens no voatondro mialoha, dia samy mitana ny fananany tsirairay ny mpivady.
💰 Raha misy contrat de mariage dia io no manan-kery.
💰 Ny vadin’ny meloka (fautif) dia very zo amin’ireo tombontsoa rehetra nomen’ny vadiny (toy ny fanomezana, fepetra mahasoa azy).
c) Vokatry ny Divorce amin’ny Ankizy
👶 Ny zanaka tsy ampy taona no tena voakasika. Ny fitsarana dia manaraka hatrany ny zotra ho tombontsoan’ny zaza (principe de l’intérêt supérieur de l’enfant).
👶 Fikarakarana (garde): matetika dia Nomena ny reniny fa afaka omena ny Rainy raha tsara kokoa ho an’ny zaza (ohatra: misy herisetra na tsy fahombiazan’ny rainy). Ho an’ny zaza kely (latsaky ny 7 taona) dia matetika ny reny no mahazo azy.
👶 Pension alimentaire: Ny ray na reny tsy mitazona ny zaza dia tsy maintsy mandoa vola ho enti-mikarakara azy (sakafo, fianarana, fitsaboana). Tsy fandoavana io vola io dia heverina ho heloka (abandon de famille).
👶 Zo hitsidika: Ny tsy mitana ny zaza dia afaka mahazo fotoana hitsidika azy, na matetika amin’ny faran’ny herinandro na amin’ny fialantsasatra. Raha misy olana toy ny herisetra, dia mety ho voafetra na arahi-maso izany zo izany.
👶 Ny ray aman-dreny dia mbola manana fahefana ara-dalàna iombonana amin’ny zaza, raha tsy hoe nosakanan’ny fitsarana.
d) Vokatry ny Divorce amin’ny Adidy Ara-pivady
🔒 Tapitra tanteraka ny adidy nisy teo amin’ny mpivady: ny fahamarinam-pitiavana, ny fiaraha-monina amin’ny trano iray, ny fifanampiana ara-bola ary ny fifanampiana ara-pihetseham-po.
🔒 Na izany aza, mety mbola hisy prestation compensatoire (fanonerana) omena ilay vady tsy meloka raha toa ka lasa sahirana ara-bola izy noho ny fisarahana.
🔒 Raha nisy misintaka (fialana vonjimaika amin’ny tokantrano noho ny antony lehibe toy ny herisetra), dia mety mbola hiaro azy ny fitsarana amin’ny alalan’ny fepetra vonjimaika (toy ny fandraràna fanatonana, na fametrahana vola fiarovana).
💬 Inona no hevitrao momba ireo fitsipika ireo? Efa nisy traikefa na fanontaniana momba ny fisaraham-panambadiana ve ianao na olona akaiky anao? Zaraina eto ny hevitrao, andeha hifanakalozy hevitra! 🙌 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, manorata eto ambany, hanampy anao aho! 😊 Aza adino ny mizara ity lahatsoratra ity raha mahasoa anao na olona akaiky anao! 🚀
















Jus defender
fans

🤔- Mba fantatrao ve hoe Inona no tena asan'ny Géomètre expert @ resaka fananatany araky n'y lalàna malagasy ?Tsy te ho v...
11/05/2026

🤔- Mba fantatrao ve hoe Inona no tena asan'ny Géomètre expert @ resaka fananatany araky n'y lalàna malagasy ?
Tsy te ho very tany ve ianao? Sa matahotra ady ?

Fantaro fa ny Géomètre Expert (na géomètre-topographe assermenté) no tena mpiara-miasa aminao eto Madagasikara, indrindra @ resaka fananan-tany! Tsy teknisiana tsotra fotsiny izy fa tena mpanampy ny fitsarana (auxiliaire de justice) sy teknisianina mpitondra porofo, miantoka ny fiarovana ara-dalàna ny zon’ny tompon-tany. Ny asany dia mandrakotra ny fiainana manontolon’ny tany iray: manomboka amin’ny fametrahana sisin-tany voalohany ka hatramin’ny famindrana azy, anisan’izany ny fanovana sy ny ady tany.

Inona avy ary no tena asany amin'ny antsipiriany?
1. Fametrahana sisin-tany sy Bornage (Ady sisin-tany)
Io no asa fototra sy tena ara-teknika ary ara-dalàna indrindra. Ny Géomètre Expert dia:
Mamaritra sy manisy marika mazava eo amin’ny tany ny sisin-tany marina.
Manomana plan de bornage (misy coordonnées, velarana, ary procès-verbal de bornage nosoniavin’ny tompon-tany sy ny mpiara-monina).
Tsy maintsy misy io antontan-taratasy io vao afaka mahazo Titre Foncier (immatriculation ao amin’ny Service des Domaines) ianao.

Ara-dalàna: Aleo ny bornage ami-ami (mifanaraka ny rehetra). Raha misy tsy fifanarahana, dia mandeha any amin’ny bornage judiciaire. Ny plan ataony dia manana lanja lehibe ho porofo ary ekena mandra-pisy porofo mifanohitra amin’izany.

2. Asa mifandraika amin'ny Titre efa misy
Raha vao azonao ny titre-nao, mety hiova ny taninao. Ny Géomètre Expert dia manao:
Lotissement (Fizarana tany): Mizara tany lehibe ho ampahany maromaro (tena ilaina raha te hivarotra tany kely na hanangana lotissement).
Fusion (Fanambarana tany): Manambatra tany maromaro ho iray.
Fanavaozana ny plan: Aorian’ny fanorenana trano, mba hifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana (velaran’ny trano, servitudes hita maso).
Fanitsiana bornage: Raha misy fahadisoana na aorian’ny didim-pitsarana (ohatra: misy ampahany amin’ny taninao lasan’ny hafa).
Bornage de copropriété na fizarana ho lots (ho an’ny trano, résidences).

Ireo asa ireo dia miantoka ny fifanarahan’ny zava-misy eo an-toerana sy ny rejisitra
Lanjan'ny Porofo sy andraikitry ny Géomètre
Ny plan sy ny tatitra ataon’ny Géomètre assermenté dia porofo ara-teknika manana lanja lehibe. Na dia tsy voatery hanaraka azy aza ny mpitsara, dia matetika izy no manaraka ny famintinana (afa-tsy raha misy expertise mifanohitra).

Andraikitra: Sivilina (dommages-intérêts raha misy fahadisoana), ara-pitsipika (Ordre des Géomètres-Experts) ary indraindray ara-heloka bevava (tatitra hosoka).

Izy dia mpanelanelana tsy miangatra eo anelanelan’ny:
Fanjakana (Service des Domaines, Guichet Foncier, ONE).
Notaire.
Fitsarana.
Olona tsotra.

Fanamby eo amin'ny Fampiharana eto Madagasikara
Vola lany: Manomboka amin’ny 350 000 – 500 000 Ariary ho an’ny bornage tsotra (miovaova arakaraka ny velarana, toerana ary fahasarotana). Matetika heverina ho lafo, ka mahatonga olona maro hanorina tsy misy bornage.
Vokany: Ady sisin-tany maharitra, fahasarotana amin’ny fivarotana na fampindramam-bola, fanorenana tsy ara-dalàna.
Tombony ara-toekarena: Ny fanatonana Géomètre aloha dia matetika mora kokoa lavitra noho ny ady fitsarana izay mety haharitra taona maro.

Raha fintinina, ny Géomètre Expert dia tsy teknisianina tsotra fotsiny fa mpilalao fototra amin’ny fiarovana ara-dalàna ny fananan-tany. Ny asany dia manova ny fampiasana tany ho zo azo ampitahaina amin’ny rehetra (erga omnes). Raha tsy misy ny plan-ny, dia mihena be ny tena lanjan’ny titre foncier.foncier.

3. Fitantanana ny Ady Tany sy Expertise Judiciaire
Matetika ny Géomètre Expert no tendren’ny fitsarana ho expert judiciaire (araka ny Code de procédure civile):
Fitsidihana ifanaovan’ny roa tonta: Fitsidihana ny toerana miaraka amin’ireo antoko voakasika.
Famakafakana ny titre, plan taloha, ary ny borne (na mbola misy na efa tsy hita).
Tatitra expertise: Tena amin’ny antsipiriany, misy sary misy géo-référence, kajy, tantara, ary famintinana ara-teknika mazava.
Saika manaraka foana ny didim-pitsarana ny tatitra ataony (ady bornage, fanararaotana tany, olana amin’ny mpiara-monina, servitudes).

Amin’ny resaka heloka bevava: Expertise amin’ny raharaha hosoka amin’ny antontan-taratasy, fanimbana borne, na fibodoana tany tsy ara-dalàna.

4. Certificat Foncier (« Karatany ») sy Tany Tsy Misy Titre (PPNT)
Ho an’ny tany nolovaina na mbola tsy misy immatriculation:
Ny Géomètre Expert dia manao plan de situation sy levé topographique.
Io antontan-taratasy io no ahafahana mahazo ny Certificat Foncier (Karatany), izay manamarina ny fampiasana ara-dalàna ny tany ary manamora ny fahazoana crédit na ny immatriculation ho avy.
Dingana iray tena ilaina amin’ny politikan’ny fiarovana ny fananan-tany eto Madagasikara izany (Guichet Foncier, Programme national de formalisation).

5. Torohevitra Ara-teknika sy Due Diligence
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fisorohana olana izy:
Fanaraha-maso alohan’ny fividianana: Fanamarinana ny maha-azo itokiana ny titre, tsy fisian’ny fanararaotana tany, fanamarinana ny borne, fanarahan-dalàna amin’ny fanorenana.
Fandalinana ny mety hanorenana: Servitudes, risika (tondra-drano, fihotsahan’ny tany), alignements.
Audit foncier ho an’ny mpampiasa vola (tetikasa fambolena, immobilier, harena an-kibon’ny tany).
Fanoratana attestation ara-teknika ho an’ny notaire.

Io asa fisorohana io dia misoroka ady tany maro sy lafo vidy.








Jus defender

🤔-Inona ny Vahaolana Haingana Indrindra amin'ny Olana Fandovana eto Madagasikara?Manana olana amin'ny fandovana ve ianao...
08/05/2026

🤔-Inona ny Vahaolana Haingana Indrindra amin'ny Olana Fandovana eto Madagasikara?
Manana olana amin'ny fandovana ve ianao ka tsy mety mifankahazo ny mpandova? Tsy irery ianao! Olana mahazo fianakaviana maro eto Madagasikara izany. Saingy misy vahaolana ara-dalàna afaka manampy anao.

⚖️ Ny Fizarana Ara-pitsarana (Partage Judiciaire): Vahaolana Rehefa Tsy Misy Fifanarahana
Rehefa tsy mety mifankahazo ny mpandova, ny Lalàna laharana faha-68-012 tamin'ny 4 Jolay 1968 momba ny fandovana, testamanta ary fanomezana dia manome vahaolana: ny fizarana ara-pitsarana. Izany dia dingana ara-dalàna ahafahan'ny mpandova mangataka amin'ny fitsarana mba hizara ny fananana lova rehefa tsy azo atao ny fifanarahana am-pilaminana.

Rahoviana no Tsy Maintsy Ampiasaina ny Fizarana Ara-pitsarana?
Araka ny Andininy faha-84 amin'ny Lalàna laharana faha-68-012, tsy maintsy atao ny fizarana ara-pitsarana raha:
• Tsy Feno ny Mpandova: Raha misy mpandova tsy eo na tsy misolo tena, na raha misy tsy manan-kery (zaza tsy ampy taona na olon-dehibe arovana).
• Tsy Misy Fifanarahana: Raha misy mpandova mandà ny hifanaiky am-pilaminana.
• Fanoherana ny Fomba Fizarana: Raha misy tsy fitovian-kevitra momba ny fomba fizarana ny fananana.

Dingana Tsotra amin'ny Fizarana Ara-pitsarana
Na dia mety ho lava aza ny dingana, dia misy dingana mazava arahina:
1 Fampahafantarana Mialoha: Ampahafantaro ny mpandova hafa ny fikasanao hanao fizarana am-pilaminana.
2 Fitsarana: Atolotra ny Fitsarana Sivily ny fangatahana.
3 Fanendrena Mpanampy Ara-pitsarana: Manendry notera na mpiasam-panjakana ny fitsarana mba hikarakara ny fananana.
4 Fanomanana ny Fizarana: Faritana ny fananana sy ny trosa, ary ny anjaran'ny mpandova tsirairay.
5 Fizarana ny Loka: Zaraina ny fananana, ary omen'ny fitsarana ny loka raha misy olana.
6 Fankatoavana: Mankatoa ny fizarana ny fitsarana, ka lasa ara-dalàna sy tsy azo toherina izany.

🗣️ Ny Fampihavanana (Médiation): Vahaolana Haingana sy Mora kokoa?
Alohan'ny hidirana amin'ny fizarana ara-pitsarana, na mandritra izany aza, dia azo atao ny mampiasa ny fampihavanana. Izany dia fomba iray ahafahan'ny mpandova mifampiresaka sy mitady vahaolana am-pilaminana miaraka amin'ny fanampian'ny mpanelanelana. Matetika izy ity no haingana kokoa sy mora kokoa noho ny dingana ara-pitsarana lava sy lafo.

Nahoana no tokony hieritreritra ny fampihavanana ianao?
• Haingana kokoa: Mety ho vita haingana kokoa noho ny fizarana ara-pitsarana.
• Mora kokoa: Mampihena ny fandaniana amin'ny fitsarana sy ny mpisolovava.
• Mampihavana: Manampy amin'ny fitazonana ny fifandraisan'ny fianakaviana.

🤔 Inona no Vahaolana tsara indrindra ho anao?
Ny safidy tsara indrindra dia miankina amin'ny toe-javatra misy anao. Zava-dehibe ny mahazo torohevitra ara-dalàna mba handraisana fanapahan-kevitra tsara.

Manana fanontaniana momba ny fandovana ve ianao?






Jus defender

🤔- Inona moa ny tena andraikitry ny Mpitsara ?                Jus defender
07/05/2026

🤔- Inona moa ny tena andraikitry ny Mpitsara ?








Jus defender

🤔-Inona moa ny vokadrasy ny fitazomana zaza tsy misy didimpitsarana manome anao ny garde ? 🤔Miatrika olana ara-pitsarana...
05/05/2026

🤔-Inona moa ny vokadrasy ny fitazomana zaza tsy misy didimpitsarana manome anao ny garde ? 🤔
Miatrika olana ara-pitsarana momba ny fanankinana zaza ve ianao? ⚖️ Zava-dehibe ny fahalalana ny zon’ny tsirairay sy ny adidy tandrify azy, indrindra eo anatrehan’ny lalàna Malagasy. Ho an’ny mpiaro ny zon’ny zaza sy ny fianakaviana, ity fanazavana ity dia hanampy anao hahatakatra tsara ny toe-draharaha.

👶 Inona no vokatry ny lalàna ho an’ny olona mitazona ny zaza (raha tsy misy didim-pitsarana)?
Raha toa ka ianao no mitazona zaza nefa tsy mbola nisy didim-pitsarana ofisialy, dia heverina ho "mpitazona fotsiny" (gardien de fait) ianao. Midika izany fa:

Tsy manana fahefana ara-panjakana: 🚫 Tsy afaka manao sonia taratasy ofisialy ho an’ny zaza ianao (fisoratana anarana amin’ny sekoly, pasipaoro, na fanomezan-dalana amin’ny fitsaboana lehibe). Ny ray ihany no manana izany fahefana izany.
Andraikitra sivily: ⚠️ Raha misy fahavoazana ateraky ny zaza amin’ny hafa, ianao no tompon’andraikitra voalohany satria ianao no miantoka ny fanaraha-maso azy.
Loza raha misy fifanolanana: 🚨 Raha mitaky ny zaza ny ray nefa tsy omenao, dia mety ho henjehina amin’ny "tsy fampisehoana zaza" (non-représentation d'enfant) ianao, izay heloka azo saziana.
Zo amin’ny fiveloman’ny zaza: ✅ Manan-jo hitaky amin’ny ray ny lany amin’ny sakafon’ny zaza, ny fampianarana ary ny fanafody ianao.

👨‍👧‍👦 Ary ho an’ny Ray?
Na dia napetraka any amin’ny hafa aza ny zaza, ny ray no hany tompon’ny fahefana maha-ray (autorité parentale) noho ny fahafatesan’ny reniny. Izany dia midika fa:

Adidy tsy azo ialana: 💸 Tsy maintsy mamelona ny zaza izy (pension alimentaire). Raha tsy manao izany mandritra ny 2 volana izy, dia mety ho henjehina amin’ny heloka "fandaozana fianakaviana" (abandon de famille).
Fahefana amin’ny safidy lehibe: 🎯 Izy no manapa-kevitra amin’ny hoavin’ny zaza (sekoly, fivavahana). Manana zo hitaky ny zaza hiverina aminy koa izy amin’ny fotoana rehetra.
Ny loza mety hanesorana ny fahefana: ⏳ Raha toa ka tsy manome vaovao na tsy mitsidika ny zaza mandritra ny 6 volana ny ray, dia azo raisina ho "fandaozana zaza" izany. Ny olona mitazona ny zaza dia afaka mitondra ny raharaha any amin’ny Mpitsara ny ankizy mba hamindra ny fahefana aminy (délégation d'autorité parentale).

💡 Famintinana sy Vahaolana ho an'ny rehetra!
Ho an’ny olona mitazona ny zaza: Tsy manana fahefana ara-dalàna izy ireo ary mila ny sonian’ny ray foana amin’ny fanapahan-kevitra lehibe. Ny adidiny dia ny miantoka ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny zaza. Mety hisy loza ho azy ireo raha halain’ny ray tampoka ny zaza. Ny vahaolana tsara indrindra dia ny mangataka "Délégation d'autorité parentale" mba hananany fahefana ofisialy. 📜

Ho an’ny Ray: Manana ny fahefana feno sy tokana izy. Ny adidiny dia ny miantoka ny fivelomana sy ny lany rehetra ho an’ny zaza. Mety hoesorina ny fahefany raha tsy mikarakara ny zaza izy mandritra ny 6 volana. Ny vahaolana dia ny manao taratasy ofisialy manankina ny zaza raha tiany ny hanome fahefana ny olona mitazona azy. ✍️

Soso-kevitra ara-dalàna avy amin’ny Jus Defender:

Mba hisian’ny filaminana sy fiarovana ny zaza, ary mba hisorohana ny olana ara-pitsarana, tsara raha manao fangatahana "Délégation d'autorité parentale" (famindrana ampahany na manontolo ny fahefana) any amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany (ohatra: Anosy). Izany no ahafahan’ny olona mitazona ny zaza misolo tena azy amin’ny fomba ofisialy eo anatrehan’ny sekoly, ny hopitaly ary ny fanjakana. 🏛️
🤔- Inona no fanontaniana mbola manitikitika anao?






Jus defender

😱-Mba fantatrao ve fa zavadoza hoanao ary mety hampigadra anao ny findramana vola ( trosa ) anefa tsy ianao no mampiasa ...
04/05/2026

😱-Mba fantatrao ve fa zavadoza hoanao ary mety hampigadra anao ny findramana vola ( trosa ) anefa tsy ianao no mampiasa azy ?
Ry vahoaka malagasy, efa mba nieritreritra ve ianao hoe mety ho voasaringotra amin'ny olana ara-pitsarana sy ara-bola goavana noho ny fampindramam-bola amin'ny anaranao, nefa olon-kafa no nampiasa izany? Tsy vitsy ny tranga toy izany eto amintsika, ary zava-dehibe ny mahafantatra ny loza miandry anao sy ny fomba hiarovana tena. Ity misy fanazavana feno sy mora azo, natao ho anao manokana.
Ireto avy ny loza mety hitranga sy ny sazy miandry anao:
1. Ny Gage Général (Art. 58 LTGO)
Rehefa manao antoka amin'ny banky ianao, dia ny fanananao rehetra (trano, tany, fiara) no apetraka ho antoka. Raha toa ka tsy mandoa ny namanao, dia ny fanananao no samborin'ny mpampindram-bola. Midika izany fa mety ho very ny fanananao rehetra noho ny trosa tsy anao! Fandrika lehibe izany, sa tsy izany?

2. Escroquerie (Art. 405 Code Pénal)
Ny fampiasana anarana diso mba hahazoana vola avy amin'ny hafa dia heloka bevava. Ny sazy dia mety hahatratra 6 volana hatramin'ny 5 taona an-tranomaizina. Tandremo sao voasarika amin'ny asa ratsy toy izany ianao, satria ny fahafahana no loka!

3. Ny Solidarité
Amin'ny maha mpiara-miantoka anao, dia tompon'andraikitra feno amin'ny trosa manontolo ianao. Ny banky dia afaka mitaky ny vola rehetra aminao raha toa ka tsy manenjika ny namanao. Tsy misy fialana amin'izany, ianao no voatery mandoa ny trosa rehetra. Mampatahotra, sa tsy izany?

4. Faux et usage de faux (Art. 147-150)
Ny fanomezana porofo tsy marina (devis diso, bulletin de paie diso) dia heloka bevava ihany koa. Ny sazy dia mety hahatratra 2 hatramin'ny 5 taona an-tranomaizina. Aza manao risika amin'ny fanomezana antontan-taratasy sandoka na dia ho an'ny namana aza, satria ny marina ihany no maharitra.

5. Ny FIP (Fichier des Incidents de Paiement - Banque Centrale)
Raha toa ka tsy voaloa ny trosa, dia voasoratra ao amin'ny Fichier des Incidents de Paiement ianao. Midika izany fa tsy afaka mahazo crédit intsony ianao mandritra ny taona maro. Mety hanimba tanteraka ny hoavinao ara-bola izany. Te-hiatrika izany ve ianao?

6. Abus de confiance (Art. 408)
Raha misy fanodinkodinana na fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny vola nifampizarana, dia mety ho voarohirohy ho mpiray tsikombakomba ianao. Zava-dehibe ny mahafantatra hoe aiza no alehan'ny vola nindramina tamin'ny anaranao. Aza avela ho banga ny fahalalanao!

7. Lamandy mavesatra
Ankoatra ny sazy an-tranomaizina, dia misy lamandy mavesatra miandry anao, manomboka amin'ny 720.000 Ar ka hatramin'ny 10.800.000 Ar. Ary mbola tsy maintsy aloanao amin'ny banky ny trosa rehetra. Mety handrava ny fiainanao ara-bola izany. Mieritrereta tsara alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra!
💡 Inona no tokony hatao mba hiarovana tena?
Aza manao antoka ho an'olon-kafa: Na dia namana akaiky aza, aza atao antoka ny fanananao. Ny vola azo averina, fa ny fananana very sarotra soloina. Ny fiarovana ny fanananao no laharam-pahamehana!
Fantaro tsara ny fifanarahana: Vakio sy fantaro tsara ny antsipiriany rehetra ao anatin'ny fifanarahana fampindramam-bola alohan'ny hanaovana sonia. Ny fahalalana no hery!
Mangataha torohevitra: Raha misy fisalasalana, mangataha torohevitra amin'ny manam-pahaizana manokana momba ny lalàna na ny banky. Aza misalasala mangataka fanampiana!
😱-Efa mba niaina tranga toy izao ve ianao na olona fantatrao?





Jus defender

01/05/2026

🤔-Que faire si vous recevez un jugement de condamnation du Tribunal alors que vous n'aviez pas assisté à l'audience ?




Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jus defender posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category