09/05/2023
Miarahaba antsika rehetra eee!!!
👉 Ny zavoka (Avocat) sy ny zava-tsoa entiny no haroso antsika eto indray.
👉 Amin'izao fahavokaran'izao zavoka izao dia ndao isika hanaram-po be mihitsy hihinana, hampiasa, hanao menaka, maska, sns...
👉 Ny zavoka dia anisan’ny voankazo tena tsara satria maro ny voka-tsoa entiny ho an’ny vatana. Anisan’izany ireto voalaza manaraka ireto:
1- Manatsara ny fandevonan-kanina (manana fibres 7%) ary miady @ fitohanana (constipation).
2- Mora mahavoky (coupe faim raha hanena vatana).
3- Manatsara ny fahasalaman’ny fo, ny voa, ny taolana.
4- Manampy @ fanalana menaka ratsy anaty vatana (mauvais cholestérol), ary mampiakatra ny menaka tsara izay ilain’ny vatana (bon cholestérol).
5- Manankarena vitamine E (manatsara sy manavao ny sela ary ny hoditra), vitamine C, vitamine K (tsara ho an’ny diabétique).
6- Manankarena Potassium sy Magnesium.
7- Manankarena kaloria (calorie) satria raha ny zavoka 100g dia manana 155 calories izay mampatanjaka ny vatana.
8- Manatsara ny fahitan’ny maso, ny hoditra, ny volo. (Afaka hanaovana menaka, masque: resahana @ manaraka ny fanaovana azy).
9- Manena ny fanaintainana mandritra ny fadim-bolana.
😘😘 Mazotoa ary mihinana zavoka indrindra fahavokarany izao ee.
😍 Araho hatrany ny pejy dia aza adino manisy j'aime ny pejy fa mbola maro no hozaraina eto annn...