Direction des Greffes Judiciaires - DGJ

Direction des Greffes Judiciaires - DGJ Greffiers et le monde des greffes

31/12/2024

Dec 2024

18/10/2022
03/08/2022
Concours greffier des services judiciares.
25/05/2022

Concours greffier des services judiciares.

Recrutement d'un secrétaire au Tribunal Administratif de la SADC (SADCAT)  au Secrétariat de la SADC. Date limite de dép...
31/03/2022

Recrutement d'un secrétaire au Tribunal Administratif de la SADC (SADCAT) au Secrétariat de la SADC.
Date limite de dépôt du dossier reportée le lundi 04 avril 2022.

25/03/2022

Ny Mpiraki-draharaha eo amin'ny Fitsarana, ilay antsointsika mahazatra hoe "Greffier".

Anisan'ireo mpiasan'ny Fitsarana ny mpiraki-draharaha. Eo amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany moa dia ny Lehiben'ny Firaketan-draharaha (Greffier en Chef) no lehiben'ireo Mpiraki-draharaha. Asa goavana sy saropady ny asan'ny Mpiraki-draharaha ary anisan'ny kitro hifaharan'ny Fitsarana izy ireo. Na eny amin'ny sampana famoahana didy na ao amin'ny Fampanoavana dia ahitana mpirakidraraha avokoa. Ao amin'ny Fampanoavana dia izy ireo no miatrika ny Mpitsara manao famotorana hamehana ary raketiny antaratasy avokoa izay voalaza mandritra ny famotorana atao. Miaramanao sonia ny P.V. (Procès Verbal) ny Mpiraki-draharaha, ny Mpitsara ary ilay natao famotorana. Izy ireo ihany koa no manao izay hahatomombana ny taratasin'ady hotsaraina. Ao amin'ny sampana famoahana didy dia tsy maintsy misy Mpirakidraraha mandritra ny fotoampitsarana na ady heloka tsotra io na ady madio. Eo ankavian'ny Mpitsara Mpamoaka didy ny toerana hipetrahany mandritra ny fotoampitsarana. Marihina moa fa mihorirana ny latabatra misy azy fa tsy manatrika. Ary raketiny antsoratra ihany koa izay rehetra mitranga sy voateny mandritra ny fotoampitsarana rehetra.
Ny Mpitsara mpanao famotorana ( Juge d'instruction) ihany koa dia tsy maintsy hatrehan'ny mpirakidraraha mandritra ny famotorana ataony. Mazava ho azy fa raketiny antsoratra ihany koa izay voalaza rehetra mandritra ny famotorana ary dia miara manao sonia amin'ny Mpitsara sy ny olona natao famotorana ny mpiraki-draharaha. Betsaka ny andraikitra ankoatran'ireo sahanin'ny mpiraki-draharaha fa ho hitantsika miandalana eto amin'ny pejy ihany ny momba ireo mpitsopitsony rehetra tokony ho fantatra.

Eto ampamaranana dia indro aseho antsika etsy ambany ireo ankanjo izay mampiavaka ny Mpitsara tsotra, Ny Tonia Mpampanoa Lalana sy ny filohan'ny Fitsarana ary ny Mpiraki-draharaha.

- Sary voalohany: akanjon'ny Mpirakidraharaha. Ny mampiavaka azy amin'ny an'ny akanjon'ny Mpitsara dia tsy misy ilay lamba mena ny an'ny Mpirakidrahara.
- Sary faharoa: akanjon'ny Tonia Mpampanoa Lalàna sy ny Filohan'ny Fitsarana. Ny mampiavaka azy amin'ny akanjon'ny Mpitsara tsotra ny fisian'ilay lamba landy iambozonany.
- Sary fahatelo: akanjon'ny Mpitsara mandritra ny fotoampitsarana.

24/02/2022

Manoloana ny fandalovan'ireo rivodoza teto Madagasikara, dia miarahaba antsika mpirakidraharaha rehetra tsy maty fo aman'aina, indrindra ianareo any amin'ny faritra izay tena nolalovan'ny rivo-doza, mankahery sy mitrotro am-bavaka antsika rehetra izay nivesatra ny takaitra naterak'izany loza voajanahary izany mba ho tafarina haingana. Mirary anareo samy ho salama lavitry ny loza.

04/12/2021

Arahabaina manokana Me Josephson, greffier ato amin'ny DGJ. Faly izahay DGJ nahatafita iray donak'afo. Tongava amin'ny tanjona tratrarina!!!!

04/12/2021

Am-pifaliana no iarahabana antsika rehetra afaka tamin'ny fifaninanana hidirana ho mpitsara, indrindra ianareo mpirakidraharaha, reharehan'ny corps tokoa ianareo. Mahaleova mahalasana ho tonga amin'ny ambony indrindra. Mankahery ireo izay tsy afaka ihany koa anefa, aza kivy, ataovy toy ny sambo-balala main'andro, tsy azo anio azo rahampitso.

Miarahaba ireo greffiers rehetra afaka admissibilité concours Magistrat ary mankahery sy mirary soa amin'ny dingana fara...
24/10/2021

Miarahaba ireo greffiers rehetra afaka admissibilité concours Magistrat ary mankahery sy mirary soa amin'ny dingana farany. Mirary anareo rehetra ho tafita, samy ho afaka amin'ny admission avokoa. Arahina ranom-bavaka ny ady mbola hatrehinareo.

Fidinana ifotony notanterahin'ny Direction des Greffes Judiciaires ny andron'ny talata 19 oktobra 2021 tao amin'ny Fitsa...
20/10/2021

Fidinana ifotony notanterahin'ny Direction des Greffes Judiciaires ny andron'ny talata 19 oktobra 2021 tao amin'ny Fitsarana Ambony Antananarivo izay nihaonana tamin'ireo Lehiben'ny Fitsarana, Lehiben'ny mpirakidraharaha ary ireo mpirakidraharaha rehetra. Nivoitra tanatin'izany ny :
- fizarana ny " Code de conduite" narahana fanentanana ny fampiharana ny andininy rehetra voarakitra ao anatiny;
- fifanakalozan-kevitra ho fanohizana ny fanatsarana ny tontolon'ny asa firaketan-draharaham-pitsarana.

Address

Ministère De La Justice Faravohitra
Antananarivo

Telephone

+261340757305

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Direction des Greffes Judiciaires - DGJ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Direction des Greffes Judiciaires - DGJ:

Share

Category